“Tsy feno hatramin’izao ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny vondron’ ny mpanohitra talohan’ny nivoahan’izy ireo ny efitrano fivoriana teny Alarobia, omaly, mialoha ny fandinihana izay dingana sy fomba hanaovana fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Anisan’ny nanao sonia izany ny C’Lera, ny HVM, ny MMM…
Mba hisian’ny fangaraharana, ny fitsirihana ny rindrambaiko ampiasain’ny Ceni no tokony hirosoana voalohany. Araka ny fanapahan-kevitry ny Ceni, mbola mitohy ny fisoratana anarana. Koa tsy mbola misy fitsirihana feno azo atao, ka hahafahana manombana ny mahalavorary na tsia ny vokatra azo. Zava-dehibe ny tanjon’ny Ceni: ny hahazoana lisitry ny mpifidy azo antoka sy fifidianana milamina mba hisian’ny fitoniana. Miainga amin’ny fifampihainoana sy fifampitokisana izany.
Samy manana ny fijeriny, na iray lalana aza…
“Tsy izahay no hankato ny zavatra ataon-dry zareo, izay tsy mazava aminay ny fipetrany”, hoy ny avy amin’ny C’Lera, ny depiote Voninahitsy Jean- Eugène, momba ny asan’ny Ceni. Na izany aza, miankina amin’ ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ny zava-drehetra. Tsy mazava ny lalàm-pifidianana. Noho izany, miandry an’izay ry zareo vao hiroso… Mba hiarahan’ny rehetra izay atao fa tsy mandeha ila. Tsy ho miara-tomponandraikitra amin’ny zava-tsy mety ry zareo. Azo atao ny manao fifanarahana politika.
“Ny mpitondra no tokony ho lohalaharana miantoka ny fametrahana fitoniana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré. Tsy hisy antoko hiatrika fifidianana tsy hanentana vahoaka ny amin’ ny foto-keviny, ny fandaharanasany… Anjaran’ny Ceni ny tokony hiteny ny mpitondra ho anaty rafitra mampitovy lanja ny mpanao politika hiatrika fifidianana. Izay ny tsy fiandaniana. Tsy hitadiavana fifanarahana politika izany, fa vokatry ny fifampiresahana. Mety hiteraka savorovoro izay tsy itoviana, mila hifampiresahana.
“An-dalam-piomanana amin’ny fifidianana amin’ny lafiny rehetra izahay”, hoy kosa ny depiote Tim Rabenirina Mamy. Na amin’ny fanentanana ny olona izany, na amin’ny fandraisana anjaran’ny antoko. Nefa ny fitondrana manao endrika manomana fifidianana, nefa tsy araka ny tokony ho izy ny fijery azy. Mahatonga ny fanahiana izay. Eo amin’ny lafiny teknika, tsy vita tapak’andro na herinandro ny fitsirihana.
R. Nd.