Hira vokatry ny tany: hankalaza ny faha-30 taona an-tsehatra ny Ny any Aminay

Ny any Aminay… Mahalala ny sanganasan’ity tarika ity avokoa, rehefa mpankafy ny mozika vokatry ny tany. Sady hamerina ny fahiny no hanome ny taratry ny ho avy ny tarika.

“Ataovy fihavanan-dandy ny fiainana”. Teny filamatry ny tarika Ny any Ami­nay, hatramin’ny niantombohany izay. Mbola tozoin’ ny tarika 30 taona mahery aty aoriana izany, raha ny fampahafantarana nataon’ izy ireo. “Ny zana-dandy dia ilay bibikely mamokatra kofehy landy izay azo alain-tahaka eo amin’ny fiainana. Rehefa manenona ny zana-dandy ka sendra misy tsy ampy na latsaka na banga dia fantany foana ary tsy amelany raha tsy averiny fenoina. Araka ilay fitenenana hoe “raha madilana azo tentenana”. Izany teny izany no anentananay ny mpankafy sy ny mpiray tanindrazana mba hanamafy sy hitandro ny fihavanana, izay mitady ho very ary tokony hiray hina fa tsy hizarazara. Ny fihavanana sy ny firaisankina izay tsy afa-misaraka raha te hahomby amin’izay atao”, hoy ny filazan’i Naivoarivelo Rakotondra­tsimba, fantatry ny maro amin’ny hoe Dadanaivo, izay mpitarika ny Ny any Aminay amin’izao fotoana.

Efa tamin’ny taona 1983 no niorina ny tarika Ny any Aminay, saingy ny faha-30 taona tena niakaran’izy ireo an-tsehatra no homarihina amin’ity taona ity. Ho fa­nombohana izany, hisy ny seho izay hotontosain’ny tarika ny sabotsy 25 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny KR Villa Ambohimanga­kely. Fotoana hamerenan’ny tarika indray ireo hira bagasy vokatry ny tany, nahafantarana ny Ny any Aminay hatramin’izay io. Hotson­gatsongaina ireo hira voarakitra ao anatin’ireo rakikira efa tontosa : “Mamirapira­tra”, “Hirahira mamy”, “Ilay tany niaviako” ary “Fitia varo-maty”, sanganasan’izy telo miralahay mpamorona: Rakotoarisoa (efa nodimandry), Naivoarivelo Rakotondratsimba ary Ber­nard Rakotondraibe. Hira vokatry ny tany, miresaka ireo lohahevitra: fitiavan-tanindrazana, fanentanana ho amin’ny fihavanana sy firaisankina, fampaherezana, fitiavana ary hira fiderana.
Tsy bàgasy irery ihany anefa no hataon’ny tarika Ny any Aminay. Misy ireo hira hampiasana zavamaneno mavesatra ary misy gadona handihizana ihany koa. Tsy mahagaga izany satria ireo mpikambana ao amin’ ny tarika ihany ireo mpampandihy anatin’ny The Ma­gni­fic sonor. Anisan’ny mam­piavaka ny tarika Ny any Aminay ny fanohizana ny kanto hataon’ireo taranaka, izay efa misandratra ihany koa amin’izao fotoana izao.

Zo ny Aina

Partager sur: