Nitsangana ny vovonana iraisan’ireo mpisehatra amin’ ny faritra arovana eto Madagasikara. Ankalazaina anio ny Andro maneran-tany ho an’ny ala. Manome lanja manokana ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny ala ity vovonana ity, miampy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra, mba hisian’ny firoboroboan’ny toekarena maharitra eto Madagasikara.
Hasongadina ao anatin’ izany ny fampiasam-bola amin’ny faritra arovana malagasy, toy ireo mpisehatra any ifotony, mba hitondra fanovana, ho fitaratra eo amin’ny fiarahamonina. Entina ihany koa hampihenana ny fahantran’ny mponina eny ifotony, sady mitondra fampandrosoana.
Isan’ny ahitana taratra izany ireo polisin’ala any amin’ny faritra arovana, Tandavanala Marojejy-Anjanaharibe-Tsaratanana Atsimo (Comatsa) any avaratry ny Nosy, tantanan’ny WWF. Manara-maso sao misy mitrandraka tsy ara-dalàna ny ala izy ireo, sady manentana ny mponina mba hitandro ny ala. Nilaza i Misna, polisin’ala any Andoboka, fa « mihena ny fanimbana ala, ankehitriny ».
Njaka A.