Faritra Vatovavy : tsy mionona fotsiny amin’ny fambolena

Voadona mafy ny faritra Vatovavy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, fa talohan’izay efa nisy ny Cheneso, tamin’ny janoary 2023 namely ny faritra. Tandindonin-doza ny faritra amin’ny tsy fahampian-tsakafo.

Efa olona amana hetsiny maro no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo, ny faran’ny taona 2022, mbola nampian’ny rivodoza tamin’ ny fiandohan’ity taona ity, vao mainka nitombo ny isan’ ny tsy ampy sakafo any amin’ ny distrikan’i Mananjary, Ifa­nadiana, Nosy Varika.

Ny voly vary no tena simban’ny rivodoza. Mbola betsaka ny tokantrano tsy tafarina, noho ny rivodoza ihany, Batsirai sy Emnati tamin’ny taon-dasa. Efa niandry fiotazam-bokatra ny maro talohan’i Freddy teo, saingy simban’ny rano daholo. Tsy ny vary ihany fa ny karazam-boly hafa, toy ny jirofo, akondro sy kafe izay anisan’ny mampidi-bola ho an’ireo tantsaha. Voadona mafy toy izany koa ny mpanjono amin’iny faritra iny.

Betsaka ny niala tamin’ny fihariana nahazatra, niova zavatra hafa. Ny sasany nitady asa ho an’ny zanany, tsy afaka nampiana-janaka intsony ny maro. Ny lehibe efa niasa, very asa fiveloman’ny fianakaviana. Ataon’ny mponina izao ny fomba hitadiavam-bola amin’ny sehatra rehetra fa tsy mionona fotsiny amin’ny fambolena. Maro, ohatra, efa nivadika any amin’ ny fiompiana akoho sy ny varotra madinika. Tsy hampitombo ny vokatra eto an-toerana anefa izany, fa hampitombo ny fanafarana , ohatra, ny vary ary mazava loatra, hiakatra hatrany ny vidiny.

Efa nisy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta ha­nampiana ireo fianakaviana tena sahirana. Miantso koa ireo ONG hanampy ny olona any Atsimo sy Atsimo Atsi­nanana, tojon’ny tsy fahampian-tsakafo.

Ndrina

Partager sur: