Vita tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fananganana orinasa fanodinana tantely any Mahajanga, ao anatin’ny tetikasa distrika iray, orinasa iray (Odof). Natolotry ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard izany tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI) any an-toerana.
Tantely kendrena amin’ izany ny ho afaka amidy eto an-toerana sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fanirian’ireo kaoperativa rahateo ny hametrahana orinasa matanjaka. 351 ny mpiompy tantely matihanina any Mahajanga II, Mitsinjo, Marovoay, sy Ambato Boeny, ary mahatratra 27520 litatra isan-taona ny vokatra fandrama any amin’ny faritra Boeny.
Nambaran’ny minisitra fa tsy misy ny fandrosoana raha tsy miainga eny ifotony, antony nanorenana izao asa goavana izao. Tsy hijanona amin’ny distrikan’i Mahajanga ihany anefa izany fa manerana ny faritra, arakaraka ny vokatra, hananganana taninketsa indostrialy, toy ny vary, siramamy, menaka, hoy ihany ny minisitra. Hisy ny Antso hoan’ny tetikasa hoan’ireo mpandraharaha vonona ny hitantana ny orinasa, hiara-kiasa amin’ny kaoperativa
Nanome toky kosa ny solontenan’ny mpiompy tantely sady filohan’ny kaoperativa Mihary, Adily Soamadou, fa tsy hitsanga-menatra i Mahajanga raha mitaha amin’ny distrika hafa nahazo milina fanodinana tantely. «Hanome vokatra tsara be izahay ka ho azo aondrana izany », hoy izy.
Ndrina