Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, ny 1 hatramin’ny 4 jona izao, ny « Salon International des acteurs économiques » (SIAE). Andiany faharoa ny hetsika, karakarain’ny Riano Agency. Hiavaka ny fihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena rehetra eto amin’ny Nosy mandritra izany. Fotoana iray hampisondrotana azy ireo amin’ny lafiny tsara kokoa. Hamaritana soritr’asa hamahana ireo olana ara-toekarena rehetra eto amin’ny Nosy ihany koa. Misy ny sehatra nomerika hanarahan’ny rehetra ny famelabelaran-kevitra mandritra izany. Tanjona ny hanarenana ny lafiny ara-toekarena eto Madagasikara.
Misedra olana maro i Madagasikara. Eo ny krizy ara-pahasalamana, ny tontolo iainana ary ny toekarena, mitarika fiakaran’ny vidim-piainana. « Tsy vitantsika ny mamaha ireo olana ireo raha tsy miara-misalahy, mandinika sy miara-mientana isika rehetra mba hivoahana amin’ireo rehetra ireo, antony nanaovana ny salon ihany koa», hoy ny directeur extérieur des relations SIAE, Rakotomalala Holy.
Maro ny hetsika
Maherin’ny 200 ireo mpisehatra ara-toekarena handray anjara mandritra ny hetsika. Toy ny transiteur, secteur industrie, industrie renouvelable, agro business… Hisy ny fampirantina maro samihafa eny an-toerana, famelabelaran-kevitra… Mba hampiroboroboana ny famokarana sy fampiasana ny angovo azo havaozina.
Mino
(mpianatra asa)