Lehilahy voasambotra : saika hividy ordinatera tamin’ny vola sandoka

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Behoririka, afakomaly, ny lehilahy iray nitondra vola sandoka. Raha ny fanazavan’ny polisy, ny 18 marsa lasa teo, tonga tao amina tranombarotra iray eo Behoririka ity lehilahy ity fa hividy ordinatera. Nijery ilay ordinatera izy ka tapa-kevitra fa hividy izany. Nony tonga teo amin’ny fandoavam-bola anefa izy, tsikaritr’ilay mpivarotra fa sandoka avokoa ireo vola saika hividianany ordinatera. Fantatra fa mitentina 6 hetsy Ar no saika hividianany azy. Rehefa nohamarinina ireo vola teny aminy, voamarina fa ravim-bola 20 000Ar miisa 33 sy 5 000Ar iray. Efa nogiazana ao amin’ny biraon’ny polisy avokoa ireo vola ireo. Taorian’ny famotorana, natolotra ny fampanoavana izy ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

Jean Claude

Partager sur: