Ezaka ataon’ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny taozavatra izao ny mampahafantatra ny asa tanana vita malagasy any ivelany. Natao izany tany Quatar ny 6 hatramin’ny 10 marsa 2023 teo, nandefasana mpanao asa tanana malagasy.
Nampahalala ny asa tanana malagasy tany ivelany ny minisitera. Ankafizin’ny olona ny vita malagasy, hoy ny minisitra Ratsiraka Sophie. Efa betsaka ireo firenena nitondrana ny vita malagasy, fa tena tsena trandrahina ankehitriny ny amin’ ny tany arabo (Golfe Persique). Liana amin’ny karazana asa tanana malagasy ireo tany arabo, anisan’ny nitsidika ny tranoheva ny tomponandraikitra ambony any Qatar. Ankoatra izany ny avy any Zambie sy Gambie. Firenena 22 no nitsidika ny vokatra malagasy. Nilaza ny vahiny fa hanangana foibe fanofanana, hanampy izany koa ny minisitera miaraka amin’ny FMFP*.
Faritra maromaro no nisafidiana hampiseho ny zava-bitany, toy ny avy any Diana, Analamanga, nanehoana ny karazana rary. Valin’izany, hanafatra vokatra vita malagasy ireo tany arabo ireo. Ny vidiny, araka ny nambaran’ny minisitra, ampitahana amin’ny vokatra vitan’ny hafa ihany mba tsy hamono antoka ny mpanao asa tanana malagasy. Faritana tsara koa ny vokatra alefa amin’izany, toy ny any Qatar, izay haharitra enim-bolana ny fampisehoana, hanomboka ny volana oktobra 2023.
Manampy izany ny orinasa Ambatovy, ny Socota avy amin’ ireo ambin-damba. Mitady mpiara-miombon’antoka hafa koa ny minisitera. Marihina fa misy mpanao asa tanana mianto-tena amin’ny fampisehoana any ivelany. Nohamafisina koa ny fampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ireo mpanao asa tanana izay mbola betsaka ety ivelany. “Zaraina karatra maha matihanina azy izy ireo fa miankina amin’ny antontan-taratasy tonga ihany io”, hoy ny minisitra Ratsiraka Sophie.
Mialohan’ny fanjifana any ivelany, hatsaraina koa ny varotra asa tanana malagasy eto an-toerana, saingy amin’ny ankapobeny tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mpanjifa maro. Tsy mahagaga raha mitrandraka ny tsena any ivelany ny mpanao asa Tanana, tohanan’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Ndrina
FMFP* : Fonds Malgache de Formation Professionnelle