Ambolomadinika : jiolahy tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy

Voasambotry ny polisy miasa ao Toamasina, afakomaly maraina ny jiolahy raindahiny niaraka tamin’ny antsy. Voarohirohy ho mpanao herisetra sy halatra ao Ambolomadinika ity jiolahy ity. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny asa fa­mongorana ireo olon-dratsy mampitaraina ny vahoaka ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria tratra nanao ny asa ratsiny vao maraina teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy ity jiolahy ity. Tratra nanendaka ramatoa iray nandray taksiborosy hihazo an’i Mahanoro izy. Rehefa nosavaina izy dia nahatrarana antsy tany aminy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa telo lahy izy ireo no miaraka manao ny asa ratsy saingy lasa nandositra ireo namany. Niaiky izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy ary mitohy ny fikarohana ireo namany amin’izao fotoana izao ao Toamasina.

Jean Claude

Partager sur: