Hentitra ny fanaraha-maso ny olona manamboatra pasipaoro, nanomboka omaly, ao Anosy. Manararaotra ny mpisoloky noho ny fahamaroan’ny olona.
Miisa telo sahady ireo voasambotry ny polisy omaly, rehefa nisoloky olona milaza ho mahavita pasipaoro. Natao fanadihadiana izy ireo ary hiakatra fampanoavana aorian’izay. Raha tsiahivina, niverina amin’ny laoniny, nanomboka omaly ny fanamboarana pasipaoro ho an’ny besinimaro, eto Madagasikara. Iray volana sy tapany no naharetan’ny fampiantohana. Araka izany, hentitra ny polisim-pirenena. Tsy hamela mora an’ireo izay mbola minia misoloky amin’izany.
Nanentana ihany koa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police Randrianarison Fanomezantsoa, mba hanatona ny sampandraharaha ny olona mba ialana amin’ny fanararaotana sy fisolokiana. “Eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana irery ihany no fandoavana ny vola fanaovana pasipaoro izay mitentina 190.000 Ariary”, raha ny fanazavany. “Ny pasipaoro malagasy dia elektronika. Iny singa maha elektronika iny no manahirana ny fitadiavana azy. Tsy isika teto ihany no nisedra olana tamin’ny fitadiavana ny vokatra elektronika mandrafitra izany fa saika maneran-tany, vokatry ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine. Ity farany dia vao mainka nampanano sarotra ny fitadiavana azy”, hoy hatrany ny minisitra.
Misy fepetra
Zon’ny Malagasy rehetra ny manana pasipaoro. Ireo olona manana antontan-taratasy mazava dia afaka misitraka. Tsy maintsy nametraka fepetra anefa ny eo anivon’ny sampandraharaha miadidy izany, mba hialana amin’ny gaboraraka sy ny fampiasana azy ireny amin’ny antony tsy mazava. Takiana ny fahazoan-dalana manokana na koa taratasy manamarina ny anton-dia any ivelany. Ho fiarovana ny zaza na vehivavy izay miondrana any ivelany no anton’izany. Manodidina ny 72 ora ny fanontana ny pasipaoro raha tomombana ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany. Toy ny mahazatra, manodidina ny 150 eo ny pasipaoro vitan’ny milina, anatin’ny iray andro.
Henintsoa Hani