Tsy mandry andro sy alina ny polisy avy eo amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention izay sampana anivon’ ny Commissariat Central etsy Bazary ary ambany fibaikoan’ny Commissaire central, Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, izay vao nandray ny asany telo volana lasa izay. « Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka », hoy izy. Vokany, jiolahy efa-dahy voasambotra niaraka tamin’ny zava-maranitra sy entana halatra nandritra ny fidinan’izy ireo teny an-dalampasika, ny alin’ny 15 marsa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tao amin’ny fokontany Morarano parisela 21/13. Taorian’ny famotorana sy fanadihadiana teny anivon’ny polisy ary natolotra ny fampanoavana, ny zoma 17 marsa, naiditra am-ponja vonjimaika daholo izy efa-dahy. Raha iverenana, mirongatra ny fanendahana sy vaky trano ao amin’ny fokotany Morarano ka izao nanaovan’ny polisy hetsika izao.
Sajo