Ambohimanarina: mpamongady rongony nahatrarana 201 kg

Mamatsy rongony an’ Antananarivo ! Noraisim-potsiny ny olona dimy niaraka tamin’ny rongony 201 kg tetsy Ambohimiadana Am­bohi­manarina, afakomaly. Na­haray vaovao avy amin’ny tsara sitrapo, nanao ny fanadihadiana nahafahana namongotra ity tambazotra mpivarotra rongony ity, ny eo anivon’ ny zandary. Voamarina fa misy mpivarotra rongony ikoizana tokoa ao amin’io toerana voalaza io. Nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana, nidina nisava tampoka ny trano voatondro ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tamin’izany ny gony maromaro. Rongony avokoa no tao anatin’ireo gony ireo. Na­totaly, nahatratra 21 isa ireo gony ireo ary mbola nisy rongony hafa natao anaty valizy. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, miisa dimy ireo tompon’antoka amin’ny fanaparitahana ireto zava-mahadomelina ireto. Efa tambazotra izy ireo. Notanana hatao famotorana, hahafahana misambotra ireo namany hafa, ireto olona dimy sarona tetsy Ambohimanarina ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: