Ravan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo kalony ny halatr’omby nataona andian-jiolahy tao Ankapilaboara, fokontany Ilaza, kaominina Befotaka , ny alakamisy 16 marsa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, miisa 32 ireo dahalo nanao fanafihana. Voaroba ny omby 55 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny zandary eny an-kianja avy hatrany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. Niroso tamin’ny fisafoana ny kizo ireo zandary nampian’ny miaramila sy ny kalony. Nifanehatra tao amin’ny kizo Antsingilibe ireto farany sy ny dahalo. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, maty ny iray tamin’ireo dahalo. Voa ny roa saingy tafaporitsaka niaraka tamin’ireo namany. Latsaka teny amin’ireo olon-dratsy ny omby miisa 41.
Tsiferana R.