Mihamafy ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana eny amin’ny Politeknika Vontovorona. Omaly, niditra tany anatin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. Nilaza ny mpianatra fa nisy vehivavy naman’izy ireo nodarohan’ny mpitandro filaminana. Mpianatra telo hafa nosamborina. Nanamafy kosa ny zandary ao an-toerana fa mpianatra mianadahy anisan’ireo nanakorontana no voasambotra “Nandratra olon-tsotra tamin’ny alalan’ny tora-bato sy nandroba tsenan’olona ireo mpianatra nosamborina ireo”, hoy ny zandary. Lasibatra avokoa hatramin’ny mpivarotra legioma sy ny “epicerie” noho ny fitokonana ataon’ireo mpianatra. Notanana vonjimaika vokatr’io ireo mpianatra mianadahy ireo.
Etsy ankilany, tsy manaiky mora ny fampanantenana tsy mety tanteraka ny mpianatry ny Politeknika Vontovorona fa manohy ny fitakiany hatrany. Milaza ny tsy hampitsahatra ny fitakiana izy ireo raha tsy misy vokany mivantana sy mipaka amin’ny mpianatra ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra. “Mila hita maso sy azo tsapain-tanana ny asa”, hoy izy ireo. Mandray vatsim-pianarana ny mpianatra, amboarina ny fotodrafitrasa. Hatramin’izao, mbola kobaka am-bava avokoa entina handrebirebena azy ireo no handraisany ny fanazavana entin’ny minisitera sy ny tompon’andraikitra.
Tatiana/ Tsiferana R.