Ny hevitra no miady

Miharatsy andro aman’alina ny toe-draharaha politika eto Ma­da­ga­sikara, ankehitriny. Mampahatsiahy tantara ratsy, indrindra ireo karazana krizy nisesisesy ka nahatonga izao fahantrana mangi­tsokitsoka andro aman’alina izao. Manomboka miseho lany ny he­risetra amin’ny endriny samihafa, miafara any amin’ny fanda­tsahan-dra sy fikasihan-tanana. Manomboka miseho lany ny korontana, noho ny fiarovana tombontsoa manokana.
Zary ataon’ny olo-maventy ho kilalao sy fitaovana ny faha­sa­hiranan’ny vahoaka izay mitrongy vao homana. Firifiry ny tompo­nandraiki-panjakana tsy mahafehy ny asany ka ny samy madinika no mifandramatra. Entin’ny kajikajy politika sy ny fiarovana ny seza, misy minisitra dia sahy mamahan-dalitra an-kitsirano ny saramba­ben’ny mponina.
Miova anefa ny hodidina ankehitriny, tena kofon’ny ngidim-piainana ny Malagasy tsy vakivolo. Vao misy ny hirika handrehetana ny afom-pahatezerana dia mipoaka ilay izy. Tsy olona mora amba­kaina sy amidy am-pitsanganana. Tsy ilay vahoaka atao fita-bitro, isak’izay mahatsiaro intsony fa olombelona nifoha tamin’ny tori­masony.
Mila mailo sy malina ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Re­poblika, tsy ho voafitaky ny mpanao tatitra diso. Tsy hihinana amam-bolony izay vaovao sy fandrobohana ataon’ny tandapa sasany, izay efa iaraha-mahalala fa mpanao hosana hosana ny ankamaroany.
Any amin’ny filoha Rajoelina Andry ny baolina. Tsy manam-pidiny izy raha te ho tafavoaka amin’izao lalan-tsarotra izorany izao. Tsy afaka ny hanao fahagagana ny olona manodidina azy. Tsy afaka ny hiantehitra amin’ny rafitra napetrany izy, raha mbola milatsaka hofidina. Efa mijoro ny herivelona rehetra amin’ny tsy maintsy handravana na ny Ceni na ny Fitsarana avo momba ny lalàm­panorenana. Tonga hatrany amin’ny resaka fanovana ny lalàna fototra mifehy an’i Madasikara izany. Tsy misy matoky intsony ny rafitra mijoro ny mpisehatra politika eto amin’ny firenena.
Hatramin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, manana ny toerana asian’izy ireo ny tongony na tsy miseho mivantana aza. Ny raiamandreny am-panahy, tsy manafina intsony ny lalan-kizorany. Mazava fa manana anjara toerana lehibe izy ireo amin’ny famahana izao fahoriana lalina sedrain’ny Malagasy izao. Tsy azo atao rano dikain’ny zinga. Ny mpanao politika rahateo, efa manomboka ny kajiny, mba hiara-mitantana. Efa mitady hirika hanemorana fifi­dianana ny sasany, raha mitady teteza-« miitatra » ( tetezamita) ha­hazoan-tseza ny hafa.
Mandritra izany, ny vahoaka ato efa mifandramatra. Mila fam­pitoniana mahomby sy maharitra fa tsy vahaolana vonjy tavanandro sy fitaka lavareny!
Mila olon-kendry afaka ny handresy lahatra azy ireo fa ny hevi­tra no miady fa tsy ny olona !

r.r

Partager sur: