Lavon’ny les Fauves avy ao Centrafrique tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Miampy isa telo ny an’ny ekipa mpandresy. Hotanterahina any Cameroun ny lalao miverina, amin’ny talata ho avy izao.
Nalahelo sy kivy tanteraka ny vahoaka malagasy rehetra, nahazo vokatra ratsy ny ekipam-pirenena malagasy. Nomontsanin’ ny les Fauves Centrafrique tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara tamin’ny lalao mandroso amin’ny fifanintsanana «Cob 2023». Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Mihasarotra ny lalan’ny Barea mankany amin’ny fifaninanana Can, mbola isa tokana 1 no ananany.
Raha hiverenana ny lalao, i Isaac Ngoma, vodilaharana havian’ny Les Fauves no nanokatra ny isa voalohany teo amin’ny minitra faha-36. Tany amin’ny minitra faha- 44, nampian’i Louis Mafouta, lohalaharan’i Centrafrique ny fanakobanana ny harato, rehefa namitaka an’i Nina, mpiandry harato malagasy. Io isa 2 no ho 0 io no nentina niala sasatra. Niezaka nanova paikady ny roa tonta, ka nanova mpilalao nandritra ny fizaram-potoana faharoa. Anisan’izany ny fidiran’i Dax, Rakool, Jean Yves, ho an’i Nicolas Dupuis, mpanazatra Barea. Tsy nahatosika ny vodilaharan’i Centrafrique ny ekipa malagasy ka nampitomboin’i Mafouta indray ny isa, minitra faha-73, ka io isa mavesatra 3 no ho 0 io no nentina nisaraka.
Tsiahivina fa hiainga rahampitso hihazo an’i Douala Cameroun ny Barea, hiatrika ny lalao miverina izay hotanterahina ny alatsinainy 27 marsa ho avy izao, amin’ny 4 ora hariva aty Madagasikara. Mbola manana fanantenana ny Barea, raha toa ka mahazo fandresena amin’ny lalao miverina.
Nangonin’i Tsiferana
Fitia (Mpianatra asa)
Hoy izy ireo
Nicolas Dupuis
“Diso fanantenana ny rehetra taorian’iny vokatra azo iny. Voafehy ny baolina tao anatin’ny 25 minitra ary efa resy lahatra aho fa hahavita zavatra tsara ny ekipa. Nitsimbadika anefa ny lalao ka ireny niaraha-nahita ireny ny vokany. Na izany aza, hiezaka hikaroka fandresena any an-tanin’ny mpifanandrina ny Barea amin’ny 27 marsa izao, any Douala”
Ronaldo Jojoline (mpanohana Barea)
“Tokony ireo mpilalao tamin’ny Chan no omena sehatra. Efa lehibe ny ankamaroan’ireo mpilalao Barea najoro omaly. Azo atao ny mamolavola ireo mpilalao eto an-tanàna ahazoana vokatra tsara.»
Savoy Raoul (mpanazatra Centrafrique)
“Nanome tombony ho anay ny famolavolana ireo mpilalao ao an-toerana nandritra ny roa taona. Porofon’izany, ny nampidiran’ilay laharana faha-3 Ngoma, izay nampidi-baolina voalohany. Mifameno hatrany amin’ireo mpilalao mila ravinahitra anefa ny ezaka ka izao nahazoanay fandresena izao”.