Tontosa teny amin’ny Campus Telma Andraharo, omaly, ny fampahafantarana tamin’ny mpanao
gazety ny “Festival Dola Beach” andiany faha-11.
Hatao eny amin’ny torapasik’i Vatomandry, ny 7 hatramin’ny 10 avrily 2023 izany. Ny fikambanana Dola Beach no mikarakara ny hetsika, miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiara- miasa sy mpanohana samihafa. Hampiavaka ny amin’ity andiany ity ny maha eny amin’ ny torapasika ny hetsika mandritra ny efatra andro sy efatra alina.
Hetsika eo amin’ny lafiny Kolontsaina sy fanatanjahantena no hameno ny tananan’ny Vatomandry mandritra ny “Festival Dola Beach”. Anisan’ny mampiavaka ity hetsika lehibe ity ny “Carnaval” mamakivaky ny tanana sy ny fanentanana eny amin’ny torapasika. Hisy ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina hanomezana sehatra ny vahoaka sy ny tanora any an-toerana. Anisan’izany ny fifaninanana “Miss et Mister”, vakodrazana Betsimisaraka, fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto avy amin’iny faritra Atsinanana iny. Anisan’ny mpanakanto ho avy hanafana ny “Festival Dola beach” ihany koa ny tarika Dodol sy ny tarika Wawa.
“Efa vonona tanteraka ny mpikarakara, ary vonona ny hanome hetsika tsara kokoa hatrany noho izay efa vita”, hoy Alexandre, filohan’ny fikambanana Dola beach.
Lin(Mpianatra asa)