Anisan’ireo nanamarika, tahaka ny fanaony isan-taona ny taombaovao ny eo anivon’ny Malagasy iray hasina (Maiha). Hifarana anio ny hetsika fampirantiana ataon’izy ireo momba izany. Nosafidiana manokana tamin’ity indray mandeha ity ny momba ny lambalandy. “Anisan’ny manana ny lanjany sy hasiny teo amintsika izany. Misy dikany avokoa ny sorany sy ny lokony ary ny sary eo aminy ary maneho ny maha izy antsika sy ny hasina”, hoy ny mpikambana, Rabarison Anja sy i Lemena Emelie. Na izany aza, eo hatrany koa ireo vato sy ny fifandraisan’izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Ny hazo sy ny zavamaniry, efa nanomboka niverenantsika indray izao ny fampiasana azy ary niatrehana ny Covid-19. Eo koa ny momba ny fanorona sy ny kolontsain’ izany.
Nambaran’izy ireo fa hampahafantarina ireo tonga eny an-toerana, mialoha izany taombaovao izany. Anisan’ny maro anisa amin’ireo mpitsidika sady liana ireo mpianatra sy ny tanora. Tsiahivina fa manome vahana ny kolontsaina sy ny fikarohana ny Maiha.
Synèse R.