Sambava : nodorana ny lavanila fa tsy misy mpividy

Nanao fihetsiketsehana avy hatrany ny mpikambana ao anatin’ny SOS Lavanila any Sambava, omaly. Tsy nahandry ny fe-potoana 72 ora napetrak’izy ireo, miandry ny fepetra sy vahaolana omen’ny fanjakana. Nisy ny herisetra nihatra tamin’ny olon-tsotra.

Nidina an-dalambe ny mpisehatra amin’ny lavanila, omaly, nanao hetsika manodidina ity sehatra ity. Misy ny vovonana SOS Lavanila natsangan’izy ireo, nanehoany fa marary ity sehatra ity, ka mila harenina haingana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, R.M, nanome fe-potoana 72 ora ny fanjakana hanome vahaolana haingana izy ireo. Nanomboka ny alarobia 22 marsa teo izany, ka tokony hifarana anio zoma 24 marsa. Fantatra anefa, fa nisy tamin’ireo olona sasany tsy nahandry io fe-potoana io, ka nidina an-dalambe, omaly, nilanja sora-baventy. Nisy koa nandoro lavanila teo amin’ny arabe.

Tataovana 7 dolara isaky ny kilao

Maromaro ny fitakian’ny SOS Lavanila. Anisan’izany ny hanafoanana ny fepetra napetraky ny fanjakana, ny hamerana ny vidiny farany ambany indrindra 75.000 Ar ny kilaon’ny lavanila manta. « Tsy mety tanteraka mihitsy io fetra io, fa misy ny mividy latsak’izany, na koa tena tsy misy mpividy ny lavanila amin’izao fotoana izao », hoy ihany ny lorahanom-baovaonay. Nilaza koa i R.M, fa takin’ny vovonana ny hanafoanana ny Vaomieram- pirenena ho an’ny lavanila (CNV), satria maro ny zavatra tsy tanteraka. Tsy eken’ny SOS Lavanila ny hakana haba 7 dolara isaky ny kilao ho an’ny fanondranana any ivelany, ka ho an’ny fanjakana ny 4 dolara/kg ary ho an’ny CNV ny 3 dolara/kg. Tsy hita anefa izay nanaovana ireo vola ireo.
Nanangon-tsonia ireo mpitarika ny SOS Lavanila, ka nahatratra 68 pejy izany, nahitana olona manodidina ny 600.

Herisetra

Nandritra ny hetsika, omaly, nisy ny herisetra nataon’ny andian’olona sasany. Niharan’izany ny lehilahy iray, nitondra bajaj nanao akanjo miloko ny an’ny fitondrana. Naratra izy ary naiditra hopitaly. Fantatra fa hitory ity lehilahy ity.
Etsy ankilany, nilaza ny filohan’ny SOS Lavanila, fa tsy amin’ny anaran’ny fikambanana no nanaovana izany herisetra izany, fa an’izay nanatanteraka izany manokana.
Fantatra fa hisy ny fihaonan’ny minisitry ny Indostra, ny varotra ary ny fanjifana amin’ireo mpisehatra samihafa any an-toerana anio. Ho hita eo ny ho tohin’ny hetsiky ny SOS Lavanila.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: