Naniratsira mpitsara : lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora

Tsy faly tamin’ny didim-pitsarana ka narahin’ny lehilahy tany anaty birao no mbola notevatevaina ny mpitsara mpamoaka didy.Vokany, nosamborina sy nogadraina koa izy.

Tsy nanaiky ny didim-pitsarana, voatazona am-ponja omaly, ny lehilahy iray voatondro ho namingavinga mpitsara tetsy Anosy. Ny herinandro lasa teo, nivoaka ny didy momba ny raharaham-panolanana iray. Nalefa eny amin’ ny akany fitaizana zaza ho fanarenana ny sainy sy hamolavolana azy ny zaza lasibatra. Tsy nahafaly ny fianakaviana izany. Niditra tao amin’ny biraon’ny mpitsara izy ireo.

Nanao teny mahery sy voalaza ho nanao tsinontsinona ilay mpitsara namoaka ny didy mahakasika ny fanolanana ny lehilahy iray tamin’ireo. Nasain’ny mpitsara nijanona izy taorian’io tranga io, saingy nirintona nivoaka ny birao.

Tetsy ankilany, nilaza ho tsy nahare io fiantsoana azy hijanona io ilay lehilahy. Niroso tamin’ny fitoriana, araka izany, ilay mpitsara lasibatra. Voatozona am-ponja vonjimaika ilay lehilahy.

Tsiferana R.

Partager sur: