Nambanana antsy : mpivady voaroba ny vola 4 hetsy

Niakatra fampanoavana omaly, notanana am-ponja von­jimaika miandry ny
di­dim-pitsarana azy ny lehilahy iray. Voatondro ho nandroba mpivady efa samy misotra ronono, tetsy Ampandrana izy. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray. Nan­droba vola mitetina 4 hetsy, ny alahady 12 marsa lasa teo.
“Sendra nivoaka hifoaka sigara teto an-tokontany aho ny maraina. Nisy olona nipoitra tampoka ka nibata ary nanatontona ahy tamin’ny rindrina”, hoy ilay lehilahy lehibe lasibatra. “Poa toy izay, nihazakazaka niditra tao an-trano io mpangalatra io ary nitondra antsy. Niditra tao amin’ny efitra fatorian’ireo mpivady avy hatrany. Mbola teo am-pandriana ny vadiko no nambanany antsy ary nokasainy ho kendaina”, hoy hatrany ny lasibatra.
Tetsy ankilany, nahatsiaro tena, niezaka nihazakazaka hamonjy ny vadiny ity rangahy ity. Tsy nampoizin’io mpa­ngalatra io, arak’izany, ny fahatongavan’ilay rangahy tao aoriana. “Nangataka azy aho tsy hamono anay fa hanome izay tadiaviny”, hoy ity lehilahy lehibe. Lasany ny ambin’ny fisotron-drononon’izy mivady. Mitentina 4 hetsy mahery eo io vola io. Nivoaka moramora ny trano ilay jiolahy. Niantso ny mpitandro filaminana ireo lasibatra. Voasambotra ny lehilahy iray ka izao niafara amin’ny fihazonana azy am-ponja izao.

Tsiferana R.

Partager sur: