Slam-poésie: hiverina ny fifaninanana an-tsekoly

Hiverina ny fifaninanana Slam eny anivon’ny sekoly. Ny “Slam-poésie” izay anisan’ny fantsona afaka mampita fanabeazana sy fahalalana.

Hisy indray ny «Tournoi inter-établissement», eo amin’ny Slam-poésie, karakarain’ny Alliance Française d’Antananarivo, Aft Andavamamba miaraka amin’ ny fikambanana Madagaslam. Ny ankizy sy tanora 13 hatramin’ny 17 taona, eny anivon’ny sekoly no hasaina handray anjara amin’ny fifaninanana. Hanomboka ny fiandohan’ny volana Avrily ka hifarana ny 22 Avrily. Miray tanjona ny mpikarakara manoloana izao hetsika izao. Etsy andaniny, misy ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny teny frantsay, izay ifantohan’ny Aft. Etsy ankilan’izay kosa, tanjon’ny Madagaslam ny hamerina ny fifaninanana eny anivon’ny sekoly ho fampiroboroboana ny Slam-poésie.
Mikasika ny fizotran’ity fifaninanana karakarain’ny Aft Andavamamba sy ny Madagaslam ity. Miisa dimy ny atrikasa hataon’ny mpifaninana, nisoratra anarana, manomboka ny fiandohan’ny volana Avrily, mialohan’ny hiatrehan’izy ireo ny famaranana, hatao ny 22 Avrily 2023. Efa nisy ity fifaninanana ity taloha, “Slam Inter-Lycée et Collége” na SILC no anarany tamin’izany andro izany.
Tombony lehibe ny ny fifaninanana satria ahafahana mitaratra sy mamaritra ny lalan’ny ankizy sy ny tanora ho tonga matihanina eo amin’ny fanaovana Slam-poésie. “Tokony hampidirina eny an-tsekoly ihany koa ny kolontsaina ho fitaizana ny ankizy sy ny tanora, sahala amin’ny fampidirana ny fanatanjahantena eny an-tsekoly”, Hoy i Tajero, mpiangaly Slam. Tanjona amin’izao ny hamolavolana sy hanabeazana ny ankizy sy ny tanora hahasahy hiseho sehatra dieny mbola tanora izy. Nosafidiana manokana ny Slam-poésie noho izy mora raisina sy manampy ny ankizy amin’ny fianarana. “Vina ny hitohizan’ny hetsika sy hiakarana amin’ny ambonimbony kokoa hatrany saingy miankina amin’ny fisian’ny mpanohana sy mpikarakara izany”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: