Harena an-kibon’ny tany : fiaraha-miasa amin’i Kanada sy Iran

Nandray diplaomaty roa misesy ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Rakoto­ma­lala Herindrainy Olivier, oma­ly. Voalohany, ny masoivoho vaovaon’i Kanada, Christo­pher Cooter, monina atsy Afri­ka Atsimo. Manana ny toerany amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ma­neran-tany i Kanada. Noma­rihin’ity masoivoho ity fa tonga eto amintsika ny tenany, hanamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Endriky ny fahavononan’i Kanada hanatsara ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena roa tonta ny fahatongany eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny lafiny fampiofanana sy ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Faharoa, ny masoivohon’i Iran, Hassan Ali Bakshi. Nam­barany, fa fotoana nahafahana nijery ny fiaraha-miasa azo atao amin’i Madagasikara amin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany ity fihaonana ity.
Samy naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ireto diplaomaty roa ireto, mba hisian’ny tombontsoa iombonana ho an’ny rehetra. Anisan’ny noresahana ny hikarohana ny fomba hanodinana ny harena an-kibon’ny tany eto an-toerana, mba hiteraka harena fanampiny. Eo koa ny fizarana traikefa. Notsipihin’ny minisitra Rako­tomalala Herindrainy ny ha­namafisana ny fahaiza-ma­naon’ny teknisian’ny minisitera tantaniny.

Njaka A.

Partager sur: