Ho fanomezana lanja ny asa tanana malagasy, namoaka olona miisa 30, ny ministeran’ny Asa tanana sy ny haitao, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina FMFP. Nanomboka ny 13 febroary hatramin’ny 24 marsa 2023 teo ny fiofanana. Nilaza ny tale jeneralin’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Asa Tanana, Rabetsialonina Moustane, fa “natao ho fanarahan-dalàna ny sehetry ny asa tanana eto Madagasikara izao fampiofanana izao. Anisan’ izany ny fametrahana ny Antenimieran’ny asa, hikarakara ny karatra biometrika handraisana lisitra sy hamantarana azy ireo.
Avy amin’ny faritra Analamanga, Matsiatra Ambony, Analanjirofo ireo nahavita fiofanana ireo. Izy ireo indray no hampiofana ny any amin’ny faritra misy azy avy eo.
Njaka A.