Tratran’ny polisy teny Ambolotara Itaosy, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho mpanao trafikana zava-mahadomelina. Mamboly sady mivarotra izy. Nanao hetsika manokana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy noho ny firongatry ny zava-mahadomelina eny an-toerana. Nisy paikady nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ireo nanao fanamiana sivily.
Lehilahy iray no voasambotra tao an-tranony teo am-pivarotana rongony. Nahitana rongony 12 fonosana tao aminy nandritra ny fisavan’ ny polisy. Rehefa nojerena koa teo an-tokontany dia nahitana rongony maromaro maniry miafina ao anaty tanina mangahazo. Nongotan’ny polisy avokoa ireo rongony nambolena niaraka tamin’ny mangahazo. Nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy.
Jean Claude