Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha namonoana ilay renim-pianakaviana sady mpiandry ao amin’ny FLM Soatanana fokontany Ambohitrevo, kaominina Tovona, distrika Farafangana, herinandro lasa izay. Ny alakamisy teo, voasambotra taorian’ny velam-pandrika nataon’ny zandary mpanao famotorana ny roa lahy ahina ho nahavanon-doza. Fantatra amin’ny anarana Medy sy Olo ireo jiolahy tratra. Nandritra ny famotorana, niaiky i Medy fa isan’ireo namono an’io vehivavy io izy niaraka tamin’ny namany efatra hafa.
Nanaiky ny hanoro ny toerana misy ireo mpiray tendro aminy izy sy ny basy nampiasaina nanaovana ilay vono olona. Afakomaly tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, tonga teny amin’ ilay toerana voalaza ralehilahy sy ny zandary. Kinga amin’ny fanaovan-dratsy ilay jiolahy ka azony ilay basy nifahana nifampitadiavana ka natondrony hitifirana ny mpitandro filaminana. Nampiasa ny fahaiza-manaony anefa ny zandary ka nitifitra azy avy hatrany. Vokany, naratra mafy i Medy ka maty taorian’izay. Araka izany, azo teny aminy ny basy vita gasy nampiasainy sy ny bala roa tao anatiny. Mbola karohina kosa ireo namany hafa mpiray tsikombakomba aminy. Nilaza ny zandarimaria fa efa nitory azy roa lahy momba ny famonoana an’ilay renim-pianakaviana io ny fokonolona. Nohamafisiny fa misy fitoriana iray hafa koa namonoana raim-pianakaviana iray ny 1 janoary lasa teo. Tsiahivina fa niditra an-keriny tao an-tranon’ilay vehivavy mpiandry ireo mpanafika ny sabotsy 18 marsa teo. Tokony ho tamin 9 ora sy sasany alina, nitady azy ireo olon-dratsy ka nitifitra azy avy hatrany. Namoy ny ainy teo no ho eo ilay ramatoa 52 taona. Naratra tratran’ny piti-bala kosa ny reniny 65 taona sy ny zanaky ny maty izay 25 taona sy 2 taona sy valo volana monja. Nandritra ny famotorana, nilaza ny zanaky ny maty fa ahina ho valifaty ny raharaha noho ny reniny voalaza ho namosavy sy nahafaty ny zanaky ny havany. Namangy ny zanany lahy iray hafa any Manakara io ramatoa mpiandry io tamin’ny herintaona. Nisy zanaky ny havany koa nivantana tao aminy. Narary anefa ilay tovolahy ka namoy ny ainy. Ny ray aman-dreniny kosa nilaza fa namosavian’ilay renim-pianakaviana ny zanany ka nanirak’ olona hamono azy koa iretsy maty anaka.
Henintsoa H.