Soavinandriana : dahalo iray voafira antsy, omby 11 tafaverina

Tsy namelan’ny fokonolona sy ny zandary, avotra soa aman-tsara ireo omby miisa 11 nalain’ny dahalo tao Amparihimanga, kaominina Mananasy, anatin’ny distrikan’i Soavinandriana, ny zoma 24 marsa teo. Nen­tin’ny dahalo nitrongo fitaovam-piadiana ireo omby ireo tamin’io. Nirifatra nandositra ny olon-dratsy niaraka tamin’ireo omby. Nanao fa­narahan-dia avy hatrany ny fokonolona. Nanampy azy ireo ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana rehefa tonga tao amin’ny kizo. Naratra nandritra izany ny roa tamin’ireo mpanara-dia.
Voafira antsy ny iray tamin’ireo dahalo saingy tafatsoaka. Votsotra teny an-tanan’ny dahalo kosa ny omby miisa 11 nokasainy han­galarina. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: