Madera Namontana: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP 5) Mahamasina, omaly ta­min’ny 1 ora maraina teny Madera Namontana, ny jio­lahy iray raindahiny amin’ny fanafihana. Naharay antso ny polisy fa misy andian-jiolahy nanafika tranona ramatoa iray eny Namontana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar sy telefaonina finday roa. Efa nifanenjehan’ ny fokonolona ireo jiolahy ka tratra ny iray. Saika tratran’ny fitsaram-bahoaka izy saingy tonga ara-potoana ny polisy naka azy ka voasoroka mia­loha ihany izany. Mbola tratra teny aminy ny sabatra sy jiro fanao am-paosy. Nandritra ny famotorana azy no nahafan­tarana fa iray amin’ireo “Bande de six”, izay mampikaikaika ny mponina eny Namontana sy ny manodidina io andian-jiolahy io. Tafatsoaka ny na­many fa izy no nifanehatra tamin’ny fokonolona sy ny polisy. Tsy vao izao izy no manao ny asa ratsiny eny Namontana fa efa hatry ny ela araka ny filazany manoloana ny polisy mpanao fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: