STM JJ Rabearivelo: efa taratra ny hoavin’ny teatra malagasy

Somary nangingina ny sehatry ny teatra malagasy tao anatin’ny taona vitsivitsy. Manomboka miverina maka ny toerany kosa izy ankehitriny. Mbola tafapetraka amin’ny maha izy azy ny teatra ary mbola maro ihany koa ny mpankafy.

Tontosa ny Alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Anda­va­mamba, ny fampisehoana nampitondraina ny lohateny hoe « Lovasoa ». Fampise­hoa­na teatra niarahana tamin’ny fikambanana Sakaizan’ny teatra malagasy (STM), avy ao amin’ny Lycée J. J. Ra­bearivelo Analakely sy ny Fikambanana mpanao teatra malagasy. Ankoatry ny efa mpankafy teatra eo anivon’ny sekoly J.J Rabearivelo. Tonga nijery ity fampisehoana ity ihany koa ireo oloben’ny teatra malagasy sy ny efa mpankafy azy ity hatramin’izay.

Seho an-tsehatra sy tantara niavaka no nolalaovin’ny tanora avy ao amin’ny fikambanana STM. Anisan’izany ny tantara notsongaina avy tao amin’ny Imaintsoanala, le lamba ary tononkalo. « Mana­na tombony lehibe ny ankizy sy ny tanora milalao sy misehatra eo anivon’ny teatra. Manampy azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainany izany, indrindra amin’ny fitenenana imasom-bahoaka», hoy ny tompon’andraikitry ny fikambanana STM. Araka ny nambaran-dRavaloson Mbato, manatalenta tokoa ireo tanora ary afaka hatasaraina hatrany ireo lesokakely “Taratra ny famirampiratan’ny hoavin’ny teatra Malagasy, manoloana ireto tanora lina sy miantsehatra eo anivon’ny teatra ireto”, Hoy Ravaloson Mba­to, mpandrindra an-tsehatra.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: