Taria Mikabary : nivoaka ny andia « Miray »

Notontosaina, omaly, teny Ambatobe ny lanonam-pa­moahana ny andia « Miray », mpikabary niofana tao amin’ny Taria Mikabary. Andiany faha-4 navoakan’ity fikambanana ity izy 19 mianadahy ire­to, raha ny fanazavan-dRajoe­lison Dimby Tahiana, filohany. Tazana ao anatin’ny andia « Miray » avokoa ny sokajy taninkentsa, mpiofana, mpandalina ary ny mpampianatra.
Niavaka noho ireo teo aloha izy ireto, satria nisy ny fiofanana hafa nomen-dRa­kotoarisoa Tsilavina, mpiahy ny andia « Miray », raha ny fanazavan’ny filohan’ny Taria Mikabary hatrany. « Nisy dinika sy tafatafa ary fanabeazana niarahana tamin-dRa­kotoarisoa Tsilavina. Nan­­dray lesona avy any aminy koa ny andia « Miray ». Anisan’izany ny fiofana mom­ba ny fitantanana, fitsinjarana ary indrindra ny fahaiza-mitondra », hoy hatrany izy.
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana nandritra ity famoahana andia « Mi­ray » ity ny fampahafantarana ny fikambanana Taria Mika­bary sy fizarana mari-pahaizana ary ny fisalorana lamba ireo 19 mianadahy.

Nangonin’i
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: