Tolakandron’ny asabotsy 25 marsa teo, nafana ny fihaonan’ny « mpiraifaribolana » sy ny mpanatrika mpitia asa soratra, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM / GZ) tohatohabaton’Antaninarenina. Tafaraka sy nifandimby teny an-tsehatra ireo mpanoratra 13 mianadahy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Samy naneho ny talentany amin’ny fanoratana sy fiantsana ny tsirairay. Ireo sanganasa anisan’ny nanaitra sy nisarika ny mpanatrika rahateo no toa voafantin’izy ireo hantsaina eny an-tsehatra.
Tsy nijanona teo fa notohizana tamin’ny fanatanterahana ny Zarafanahy tany Andohamandry Ambohimalaza ny fandaharam-potoanan’ny « mpiraifaribolana ». Nanatanterahana ny antsa tononkalo, fiaraha-mifaly sy mikorana hoenti-mifankafantatra, mifanakalo traikefa, dinidinika ho fanatsarana ny tontolon’ny soratra, sns.
Marihina fa fotoana lehibe hifankahitan’ireo mpanoratra zoky sy ny zandry ny hetsika Zarafanahy sy ny Alimbetso, tanterahin’ny Faribolana Sandratra.
HaRy Razafindrakoto