Hay kanto : misongadina hatrany ny mpianatry ny Anac

Notanterahina ny alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana mozika sy dihy , niarahana tamin’ny mpianatra nivoaka teo anivon’ny Acade­mie Nationale des Arts et de la Culture (Anac). Ny tarika Maf’Be no niandraikitra ny fampisehoana teo amin’ny dihy, raha ny Voa’Art kosa no teo amin’ny lafiny mozika. Tanjona ny hananan’ny mozika malagasy ny maha izy sy hahatonga matihanina ny haikanto malagasy.
Hay kanto roa sosona no niray sehatra teny amin’ny Ivokolo Analakely. Nanakoa­ko teny amin’ny Ivokolo Ana­lakely ny feona zavamaneno maro samihafa, niaraka ta­min’ny fahaiza-miangalin’ny mpianatra navoakan’ny Anac, mivondrona ao amin’ny Voa’Art. Nambabo ny mpankafy mozika,indrindra ny teknisianina vahiny ny talenta sy fahaizan’ireto mpitendry za­va-maneno ireto. Tsy ambakan’izay ihany koa ny teo amin’ny sehatry ny dihy, izay nafanain’ny Maf’Be. Ireto farany izay efa nisolo tena an’i Madagasikara tany ivelany teo amin’ny sehatry ny dihy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: