Ambatovy : sahona 1800 eny amin’ny tontolo voajanahary

Sahona « Mantella aurantiaca » izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara 1 800 ma­hery no naverina eny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy, ho fiarovana sy fampitomboana ta­ranaka ity karazana sahona ity.
Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fitandrovana ny voahary (UICN)* ho anisan’ireo biby tandindonin-doza ny « Mantella auran­tiaca » ary nanaovan’Amba­tovy fandaharanasa manokana ho fampitomboana taranaka azy ireo izay iarahany miasa amin’ny fikambanana Mi­tsinjo izay mitantana ny Toby Sahona ao Andasibe.
Tsiahivina fa nosokajian’ ny UICN ho tena tandindonin-doza io karazan-tsahona io taloha, fa noho ny ezaka na­taon’Ambatovy miaraka amin’ ireo manam-pahaizana eo amin’ny siansa, mpiombon’ antoka aminy, dia nidina ny tahan’ny sata loza mahazo azy ankehitriny.
Nahafahana namerina teny anivon’ny tontolo voajana­hary sahona nompiana 1 500 mahery, tamin’ny taona 2017, ity fandaharanasa ity natomboka ny taona 2012. Manohy hatrany ny famotsorana eny anivon’ny tontolo voajanahary ireo « Mantella aurantiaca » Ambatovy taorian’io vokatra tsara azo io sy ny traikefa re­hetra norantovina tamin’izany.
Miara-miasa akaiky amin’ ny manam-pahaizana eto an-toerana ny orinasa amin’ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny fiainan’ireo biby ireo eo anivon’ny tontolo vaovao misy azy. Mitohy hatrany ny fandaharanasa hiaraha-miasa amin’ireo manam-pahai­zana eto an-toerana momba ny asa fanavotana ny sahona, ny famerenana azy eny anivon’ ny tontolo voajanahary sy ny fanaraha-maso isan-tsokajiny, ny taona 2023 sy 2024.

Ndrina
UICN* : Union internationale pour la conservation de la nature

Partager sur: