Fahasimban’ny tontolo iainana : tafiditra anatin’ny faritra mena i Madagasikara

Tafiditra anatin’ny faritra mena amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasi­kara, raha ny tatitra navoa­kan’ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) tamin’ny 2020. Mahatratra 15000 isan-taona ireo zava-mananaina ahina ho lany tamingana eto Madaga­sikara nanomboka ny taona 2022.
Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Am­pefiloha ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny adiny iray ho an’ny tany teto Madaga­sikara. Tanjona ny hampandraisana andraikitra ny tsirairay manoloana ny fahasimban’ ny natiora, raha ny nambaran’ ny tomponandraikitra. Tom­pon’andraikitra avokoa ny tsirairay amin’ny fahasimbana sy fikajiana ny tontolo iainana. « Miaina, mitia sy miaro ary mitandro ny zavaboahary izahay ao anatin’ny skotisma », hoy i Mirana, mpiandraikitra eo anivon’ny Fanilon’i Ma­da­gasikara. Nilaza izy fa aseho sy iainana amin’ny alalan’ny fanabeazana ireo ankizy izany. Nohamafisiny fa tokony hizatra ny tsirairay hanokana fo­toana isan’andro ho an’ny tany. Aseho amin’ny alalan’ ny fikajiana azy izany, araka ny nambarany. Ohatra, ny tsy fanariana fako eny an-dalambe, ny fahaizana mampiasa sy ma­nodina ny angovo azo havaozina sy ny plastika…

Nomarihina tamin’ny hetsika

Nanamarihana izany ny dia an-tongotra naharitra adiny 5 teny an-toerana. Nisy ihany koa ny fampirantiana momba ny fikajiana ny ton­tolo iainana. Nandray anjara tamin’izany ireo fikambanana mpiara-mias. Ankoatra izay, nampianarina hanodina plas­tika sy hampiasa angovo azo havaozana ireo tanora tonga teny an-toerana.
Tonga nanatrika izany ny tanora maro avy eto Anta­na­narivo. Anisan’izany ny avy amin’ny Firaisan’ny skotisma. Notohanan’ny Unicef Mada­gascar, WWF Madagas­car, Namako ny tany… ny hetsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: