Tontolo iainana : betsaka indrindra ny CO2 tamin’ny 2022

Araka ny tatitra faha-6 nataon’ny GIEC*, mahatratra 3,5 miliara ny isan’ny olombelona miaina amin’ny loza ateraky ny fitomboan’ny hafanana eto ambonin’ny tany. Mitaky ezaka betsaka ny atao. « Maika ny mamaritra fepetra, ary raha amin’izao fotoana izao no manao izany, mbola azo an­toka ny hoavy maharitra ho an’ ny rehetra », hoy i Hoasung Lee, nitarika ny fikarohana.
Ny fikarohana goavana nataon’ny GIEC, manambara fa misy fiantraikany any amin’ny fahalalan’ny olombelona ny fitombon’ny hafanana, vo­­ka­try ny fiparitahan’ny ‘’gaz à effet de serre’’ miaraka amin’ny gazy karbonika (CO2). Hita izany, ohatra, eto an-dReni­vo­hitra. Raha mbola mihamaro ny fampiasana solika, hitombo hatrany ny hafanana eto am­bonin’ny tany.
« Zava-dehibe amin’io fi­karohana io, raha ampitahana amin’ny lasa, hita fa tandindonin-doza izao tontolo izao, ary mety hitombo hatrany ny hafanana » , hoy i Matthias Garschagen, iray amin’ireo
93 nanao ny tatitra. «Potika ny tontolo iainana, toy ny efa misy amin’izao fotoana amin’ ny fitsoniky ny ranomandry», hoy ihany izy. Ny zanak’olom­belona anefa tsy namokatra CO2 maro indrindra noho ny tamin’ny 2022.
Ny vahaolana, mila ahena haingana ny fiparitahan’ny ‘’gaz à effet de serre’’. Va­rim­bariana ny zanak’olombelona fa ny loza efa mihatra, indrindra aty amin’ny tany mampiasa solika betsaka.

Ndrina
GIEC* : Groupe d’experts intergouvernemental
sur l’évolution du climat

Partager sur: