Lazain-drangahy fa tsy zanany : novonoin-dreniny ary natsipiny tao anaty tatatra ilay zaza

Zazalahikely vao herintaona monja no hita faty tao anaty tatatra tao Antanamandroso Moramanga, afakomaly. Voatondro ho namono azy ny ray aman-dreniny rehefa tsy nanaiky io zaza io ny lehilahy vadin’ilay renim-pianakaviana. Hiakatra fampanoavana izy mivady.

Habibiana mahatsiravina! Tsy nampoizina ny zava-bitan’ilay renim-pianakaviana 30 taona sy ny vadiny tao Moramanga. No­vo­noina sy nanaovana habibiana tsy roa aman-tany ny zazalahikely vao herintaona monja. Afakomaly, hitan’ny andrimasom-pokonolona tao anaty tatatra tao amin’ny fo­kontany Antanamandroso an­drefana, kaominina sy distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro . Nifatotra “cache-nez” ny vavany ary nofatorana fil ny tendany sy ny tanany ary ny tongony. Efa voasambotra ny renin’ilay zaza sy rangahy vadiny ary hiakatra fampanoavana anio. “Niaiky ilay vehivavy fa izy tokoa no namono ny zanany lahikely”, hoy ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana.
Nisy fotoana, niasa teto an-drenivohitra io vehivavy io ary nitondra vohoka izy rehefa nody tany Moramanga. Nilaza avy hatrany rangahy vadiny fa tsy zanany ilay zaza. Teraka soa aman-tsara ilay renim-pianakaviana ka notezain’izy mivady niaraka tamin’ilay zokiny vavikely dimy taona io zaza io.

Disadisa
Taty aoriana, nanana olana ara-tokantrano sy ara-bola izy mivady. Niteraka disadisa ihany koa ny fisian’ilay zazalahikely. Voalaza fa feno herintaona rahampitso ilay tsy manan-tsiny. Naverin’ilay rangahy indray fa tsy zanany ilay zazalahikely io. “Raha mbola mitaiza ny zazakely ity ramatoa vadiny dia tsy afaka ny hiaraka aminy intsony izy”, hoy ny loharanom-baovao iray. Nanamafy kosa ny raibeny sy ny reniben’ilay zaza fa zanak’izy mivady ity zazalahikely ity, hoy hatrany ny fanazavana. Ny alatsinainy 20 marsa teo, nilaza ho nandeha tao Manjakandriana ilay renim-pianakaviana. Nam­ba­rany ihany koa fa tsy nahita ilay zaza intsony izy rehefa tafakatra ny fiara. Etsy ankilany, nanamafy ny ray aman-drenin’ilay lehilahy fa niverina irery ilay ramatoa ary tsy nitondra ilay zaza intsony. Nanomboka niteraka resabe teo an-toerana ny raharaha. Taorian’io, tsikaritry ny manodidina nandoro lamban-jaza marobe tamin’ny gony ilay vehivavy. Ny alakamisy teo, nitondra ny raharaha teny amin’ny zandary ny fianakaviana. Nisokatra ny famotorana. Nanomboka teo ihany koa ny fitadiavana ilay zaza, nitohy ny zoma izany. Ny sabotsy teo, voatazona teny amin’ny zandarimaria ireo ray aman-dreniny. Ny alahady teo, nisy nahita tsy lavitry ny tranony ny vata-mangatsiakan’ilay za­za tsy manantsiny, efa simba tanteraka.

Henintsoa Hani

Partager sur: