Mahavalalanina andro aman’alina ny tontolo politika eto Madagasikara. Tsy mbola nisy hatrizay izany hoe resaka manokana an-telefaonina mirakitra tsiambaratelom-panjakana no mivoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera izany. Mainka mampivarahontsana ny mahafantatra fa, lasibatra amin’izany ny mpitondra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha izy ireo sy ny serasera ataony no tsy voaaro intsony, mba manao ahoana re ny vahoaka madinika e ? Ny fahefana tokony ho mpiaro aza tsy maharo tena. Zava-doza no iainan’ny firenena malagasy, ankehitriny. Mampanahy lavitra noho ny toekarena sy sosialy ny fanaovana politika.
Ankoatra izay voalaza, mahazo vahana ny kajikajy politika maloto. Tsy mikendry ny tombontsoan’ny besinimaro fa mivadika ho « ketrika » ho an’ny antoko sy vondrona manokana. Miseho amin’ny endriny maro izany. Indrindra fa ny ankisompatra mivantana na ankolaka. Miverina ny fifampiandrasana kendry tohina avy amin’ny mpifanandrina. Tsy misy intsony izany resaka etika sy fanajana ny soatoavina izany. Manjaka ny adilahy, hany ka ilay vahoaka tsy mandady harona no mahita faisana. Ataon’ny adim-piainana kofona, mbola viravirain’ny mpitady sy mpifikitra amin’ny sezany.
Raha fehezina, marary i Madagasikara. Mila fanasitranana. Tsy misy anefa ny fahagagana fa mitaky finiavana sy adidy izany. Miandry fahatsapan-tenan’ny herivelona rehetra ihany koa. Voalohany ny vahoaka, izay tompon’ny teny farany, amin’izay ampindraminy fahefana hitantana firenena. Tsy ampy ny fimenomenomana fa tsy zaka intsony ny hamafin’ny fiainana. Tsy misy lehibe mihoatra ny vatolampy fa rehefa tsy miteny taingenan’ny vorona.
Faharoa, ny mpitondra. Mba mahalala menatra amin’ity lesoka goavambe amin’ny tsy fahafehezana ny toekarena ka mamono vahoaka ity. Marina fa betsaka ny fotodrafitrasa vita izay tena ilaina. Raha noana anefa ny kibo, mivezivezy ny fanahin’ny olona entina. Tsy mahagaga raha mitady hahazo vahana ny mpanohitra.
Ireto farany izay tokony, handini-tena kely monja. Hipetraka ho tena mpivoy hevitra hampifandanja ny fahefana. Tsy faly hanao volo mpanoa randrana fotsiny na ilay mpitady seza. Efa nitondra aman-taonany rahateo, tompon’andraikitra feno amin’izao fahoriana mangidy sedrain’ny firenena sy ny vahoaka izao.
Farany, tena hanaovana antso avo ireto herivelona hafa izay manana ny fahefana sy herijika hisintona lakolosy na ho mpiantsehatra fototra. Anisan’ireny ny firaisamonim-pirenena, toa mitazam-potsiny ny manjo ilay mpiray tanindrazana. Mahatonga saina ny fihazakazahana any amin’ny tetikasa, izay betsaka famatsiam-bola fotsiny fa tsy mahakasika mivantana ny daholobe.
Hamaranantsika ny famakafakana anio, sanatrian’ny vava olona miiba fisainana fa mahatsapa ho manana adidy ihany koa amin’ny fanaitairana ny amparahatoky ny Malagasy tsivakivolo. Iza no ianteherantsika hanampy amin’ny fivoahana ity kirizy mafy ity? Ny Malagasy miara-mientana sy mifanohana no antoky ny vahaolana. Tsy ny vahiny na ireto milaza azy ho fianakaviambe iraisam-pirenena ireto no mesia na hanao fahagagana. Mazava be ny an’ny « vazaha », ny tombontsoany aloha, miampy ilay zarazarao hanjakana.
Mazava ny zotra ho an’i Madagasikara, mamerin-kasina sy manome lanja ny soatoavina. Miverina an-doharano, tsy baikoin’ny vola sy voninahitra ary fitiavan-tena. Tsy maintsy manome lanja ny tsikalankalam-pihavanana. Isika miray saina sy miombom-po rahateo no afaka hanohitra izao fahalovana izao.
Asakasatsika mianakavy fa isika ihany no erany.
r.r