Tetikasa LEAD : kamiao 50 ho an’ny Jirama

Mamatsy vola ny tetikasa Least-cost electricity acces development (LEAD) tanterahin’ny Jirama ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanatsarana sy ny fanitarana ny herinaratra amin’ny vidiny mora. Eo koa ny fampidiran-jiro amin’ny vidiny mora (branchement mora), sy ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana CSB manerana ny Nosy. Hanatan­terahana ireo, nisy ny fampitaovana ny Jirama, toy ny kamiao miisa 50, natolotra ny 21 marsa teo.
Haparitaka any amin’ny faritra iasan’ny Jirama sy ny masoivoho miisa 14 eto Anta­nanarivo ireo kamiao ireo. Ho haingana kokoa ny fitaterana ny kojakoja sy ny fitaovana ampiasain’ny Jirama, satria tsy ampy ny fiara eo am-pelantanany.
Ho avy amin’ny manaraka koa ny fitambarana kojakoja (kits) sy ny kaontera ho an’ny « branchement mora ». Azon’ ny rehetra atao ny manatona ny masoivohon’ny Jirama, misoratra anarana hisitraka izany amin’ny sarany 30.000 Ar.

Njaka A.

Partager sur: