Notanterahina teny amin’ny Fofikri Ilafy, ny sabotsy 25 marsa lasa teo, ny «Best of Analamanga», taranja Tae-kwon-do, nokarakarain’ny ITF Mass (Madagascar Association). Hetsika voalohany, ho an’ny taona 2023. Nandray anjara tamin’izany ireo mpikatroka 200 mianadahy mianaka, avy amin’ny klioba Ambohidratrimo, Avaradrano, Atsimondrano ary Antananarivo Renivohitra.
Nifaninanana, tamin’izany ny Tul (Kata) na fihetsika mirindra sy Matsogi (Combat), ho an’olon-tokana, sokajy rehetra, nanomboka tany amin’ny “poussin” ka hatrany amin’ny “sénior”, lahy sy vavy. Tanjon’ity fihaonana ity, ny hitiliana ny haavo teknikan’ireo solofo dimbin’ny ala ary hifantenana sy hitarafana ireo ankizy handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena sy ny fiadiana ny amboara eran-tany.
Tratra ny tanjon’ny ITF Mass tamin’ity satria nihoatra ny neritreretina ireo mpifaninana. Nazoto ireo mpikatroka ary nahitana fiakarany ny lentan’ny fifaninanana. Ezahina, ny hisian’ny fifaninanana iray, amin’ny enim-bolana faharoa, mialoha ny hiatrehana ireo fihaonana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa ankoatran’ Analamanga, efa misy ny ITF Mass ihany koa any amin’ny faritra Atsinanana sy Andrefana.
Hatramin’izao, mitantana ny ITF Mass ny “comité Ad’hoc”. Ity rafitra ity no handrindra ny fandaharam-potoana rehetra, amin’ny fifaninanam-pirenena sy ny ho fananganana ny federasiona malagasy. Manana 2 taona izy ireo, hanatanterahana izany.
Torcelin