Lavon’ny zandarimaria ny lehilahy iray isan’ireo saika hanafika tranon’olona teny Itaosy, ny talata teo. Nahery vaika ny fifandonana, zandary iray naratra voan’ny bala.
Nandriaka ny ra teny Antampon’Itaosy, fokontany Itaosy, tsy lavitry ny sekoly iray eny an-toerana, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Maty voatifitry ny zandary mpanao fisafoana ny jiolahy iray isan’ireo saika hanafika tranon’olona teny amin’ity fokontany ity. Tamin’io fotoana io, nikononkonona ny asa ratsiny teo amina tambohon’olona iray izy dimy lahy. Nandalo tampoka anefa ny zandary ka nitifitra avy hatrany ny jiolahy sady nandositra. Etsy ankilany, tsy nanaiky lembenana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana, nitohy ny fifanjevoana. Lavo nandritra izay ny iray tamin’ny olon-dratsy. “Voatifitra teo amin’ny tendany sy ny fototsofiny izy ka nivoaka teo amin’ny masony mihitsy ny bala”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Azo teny aminy ihany koa ny basy poleta vita gasy nampiasainy sy ny kitapokely teny am-babeny. Ireo namany hafa kosa tafaporitsaka. Na izany aza, eo am-pikarohana ireo olon-dratsy ireo ny zandarimariam-pirenena.
Naratra
Voatifitra teo amin’ny feny nandritra ny fifandonana ny kaomandin’ny borigadin’Itaosy. Tsy ahina anefa ny fahasalamany. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana ny tenany. Ny vata-mangatsiakan’ilay jiolahy kosa nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA miandry ny havany. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola tonga teny an-toerana ny fianakavian’ny maty.
Taorian’ilay fanafihana, nihaona tamin’ny fokonolona ny mpitandro filaminana. Voaresaka nandritra izay fa isan’ireo faritra mafana eto an-drenivohitra ny toerana. Tapaka fa hisy ny andrimasom-pokonolona hiambina sy hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana, hisorohana ny asan-jiolahy.
Henintsoa Hani