Fikambanana liandra ao Toamasina : 20 lahy nidoboka am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo zatovo miisa 20 voasaringotra tamina raharaha fampihorohoroana tao Toa­masina, ny talata 28 marsa teo. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alakamisy 16 marsa, voalaza ho mitondra “bois rond” ary mampitahotra ireo sendra azy sy midaroka mihitsy ireto andian-jatovo ireto. Nato­lotra ny mpitsara mpanao fanadihadiana lalina sady misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha. Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ireo tanora 20 ireo izay samy mbola tsy ampy taona avokoa. Amin’io maha ankizy azy ireo io, tsy niandry ela ny fitsarana. Ny talata teo, niroso amin’ny fo­toam-pitsarana ahafahana ma­moaka ny didy ho an’ireo tena atidoha nikotrika io raharaha io ny fitsarana. Navotsotra avokoa kosa ireo voatondro ho nanendaka moto,voalaza fa an’ny renim-pianakaviana iray, vadina mpanolotsain’ny governoran’ny faritra.

Sajo

Partager sur: