Fanafihana teny Soamanandrariny: tompona Cash point maty, very ny 21 tapitrisa Ar

Nanaovan’ireo jiolahy tambabe ilay raim-pianakaviana tompona Cash point eny Soamanandrariny. Maty voatifitra izy no mbola lasan’ireo tsy mataho-tody koa ny vola 21 tapitrisa Ar tao anatin’ny kitapony.

Nirefodrefotra ny basy teny Soamanandrariny ny talata maraina teo. Lasibatry ny asan-jiolahy ny lehilahy iray manodidina ny 67 taona, tompona Cash point eny an-toerana. Notifirin’ireo olon-dratsy izy, mbola voarobany ihany koa ny kitapo nisy ny vola mitentina 21 tapitrisa Ar.
Nivoaka ny trano toy ny fanaony isan’andro io raim-pianakaviana io. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo, niandry azy tsy lavitry ny tranony ny roa lahy raha niandry teny ambony moto kosa ny fahatelon’ireo mpanafika. Mbola nanohitra an’ireo jiolahy izy, tsy nahazaka izany ireo mpanafika ka nanapoaka basy. Voatifitra teo amin’ny kibony ilay tompona “cash point” ka nitarika tamin’ny fahafatesany izany. “Noheve­rinay fa pneu vaky ilay poa basy kanjo olona telo mifanenjika ilay izy. Mpangalatra ny roa lahy ary ilay raim-pianakaviana ny iray”, hoy ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Segondra vitsy taorian’izay, niantso vonjy ireo mponina teny an-toerana raha nandrahona olona kosa ireto mpanafika. Nanapoaka basy fanindroany izy ireo ka nifatratra tamina fiara iray nijanona teny an-toerana izany. Avy eo, nirifatra nanao taingin-telo nihazo an’Anka­din­dra­mamy ireo jiolahy.

Tsy nisy nisaron-tava

Tsy misy mahalala ireo mpanafika ny fokonolona eny an-toerana. “Vaovao aminay daholo ny endriny ary nanao fitenim-paritra ry zalahy”, hoy hatrany ireo fokonolona. Tsy nisy nisaron-tava izy rehetra. Ilay nitondra moto nanao aroloha raha nanao “casquette” kosa ny namany iray. Niseho tao anatina minitra vitsy ity fanafihana ity. Ilay lasibatra nentina vonjimaika teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tana ny ainy. “Mbola nentinay teny amin’ny dokotera izy ka ity farany no nanao hoe hoento hopitaly. Indrisy anefa fa tsy tana in­tsony ny ainy”, hoy ny zanaky ny maty. Notohizany fa efa nampitandrina azy matetika ny vady aman-janany noho ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana. Etsy ankilany, nilaza ny zandarimaria fa anatin’ny fanadihadiana ny raharaha. Anatin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza ihany koa ny mpitandro filaminana amin’izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: