Raha tsy misy ny fiovam-baovao eo amin’ny federasion’ny baolina kitra frantsay (FFF), hanazatra ny ekipa vehivavy frantsay i Hervé Renard. Handimby an’i Corinne Diacre, mpanazatra ny Les Bleus teo aloha izany ity teknisianina frantsay ity, araka ny vaovao nivoaka omaly, tany Frantsa. Marihina fa mbola manazatra an’i Arabia Saodita i Renard, ary mbola haharitra hatramin’ny taona 2027 izany. Nahita vahaolana ara-bola tamin’ny federasiona saodiana, taranja baolina kitra (SAFF) izao anefa izy ka nahazo alalana ny hiala.
Marihina fa taorian’ny faharesen’i Arabia Saodita nanoloana an’i Bolivia, tamin’ny isa 2 no ho 1, tamin’ny Mondial farany teo, no anisan’ny naneken’ny SAFF ny fijanonan’i Hervé Renard. Tsiahivina fa i Arabia Saodita, notarihin’i Hervé Renard ihany ny hany nandresy an’i Arzantina, tompondaka eran-tany, nandritra ny “Mondial 2022”, natao tany Qatar.
Fitia (Mpianatra asa)