Muay Thai : hatao ny 8 sy 9 avrily izao ny fifaninanana nasionaly

Hotontosaina ny 8 sy 9 avrily izao ao amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­ha­masina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja Muay Thai. Fifani­na­nana hitiliana izay hisolo tena ny Malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena mety handraisan’i Madaga­siakra anjara, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny Muay Thai, Rako­toalizao Haina Tiana Gervais. Hisy mantsy, hoy izy, ny fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara amin’ity taona ity. Tsiahivina, ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2023 ary ity fifaninanam-pirenena hatao afaka herinandro ity ny hanohizan’ny federasiona ny fandaharam-potoany.
Tanjona ny hampiakatra ny lentan’ny fifaninanana sy ny haavo teknikan’ny mpikatroka, ka izay sangany manerana ny ligy ahitana ny taranja Muay Thai no hifaninana eto Antananarivo amin’io fotoana io. Tsara ny manamarika fa taranja tena manavanana ny Malagasy ny Muay Thai ary efa nandraisany anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ka nahazoany vokatra tsara. Efa manomboka miroborobo ihany koa ity taranja ity, izay efa manenika an’i Madagasikara. Ligy mi-isa 6 (Atsinanana, Matsiatra Am­bony, Bongolava, Vakinanka­ratra, Analamanga, Alaotra Mangoro) hatramin’izao no efa tafatsangana. Efa mahatratra 500 mahery ny mpikatroka manerana ny Nosy.

Mi.Raz

Partager sur: