“Manodidina ny 1000 Ariary ny kilaon’ny paoma any Antsirabe amin’izao fotoana izao”, hoy i Line, mpamboly sy mpamokatra avy any an-toerana raha nantsoina tamin’ny finday, omaly. Mahatratra 3500 Ar hatramin’ny 4500 Ar ny kilao eny amin’ny mpivarotra antsinjarany raha eto Antananarivo. Manodidina ny 2500 Ar hatramin’ny 3000 Ar kosa izany eny amin’ny tsena mpanongady toy ny eo Anosibe. Voakasik’izany ny paoma “golden” sy paoma mamy. Tsy maintsy maka tombony kely ny mpivarotra ka mahatonga io vidiny eto amintsika io, raha ny fanazavan’ny mpivarotra. Manampy izany ny haratsian’ny lalana itondrana ny vokatra mankaty Antananarivo, raha ny fanampim-panazavan’ny mpitatitra.
Nihena ny fahefa-mividin’ny mpanjifa
“Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity fa nihena ny fahefa-mividin’ny mpanjifa”, hoy ny mpivarotra voankazo ao Anosibe, Rapasy. Nilaza izy fa “aleon’ny olona mividy vary toy izay handany vola hividianana voankazo toy ny paoma, raha amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao. “2 na 3 kilao sisa ny vidin’ny olona raha toa ka 5 kilao isaky ny 2 andro izany tamin’ny herintaona”, Ahitana toerana maro ny mpamatsy paoma eto amin’ny Nosy, toy ny any Antsirabe, Antanambao, Sahanivotry, Soanindrariny ary Ambohibary.
Mino (mpianatra asa)