“Dictée de la Francophonie”: efa manana ny toerany ny teny frantsay

“Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa ho feheziko”. Efa mahafehy ny teny frantsay tokoa raha ireo mpifaninana taminy ity hetsika ity, indrindra ny ankizy. Miezaka hatrany ny tomponandraikitra mampiakatra ny lentan’ny fifaninanana hahatsaratsara kokoa izany.

Tontosa ny 27 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’An­tananarivo Andavamam­ba, ny famaranana ny fifaninanana “Dictée de la Franco­phonie”. Nokarakarain’ny AFT Andavamamba, tao anatin’ny hetsika “Semaine de la Fran­cophonie”. Olo-manan-kaja maro no niatrika izany famaranana izany. Ny dingana namantarana ny mpandresy no notanterahina ny 27 marsa 2023, teny amin’ny Aft Anda­vamamba. Ny sabotsy 1 avrily 2023 kosa hamantarana ny filaharan’ireo mpandresy isa­ky ny sokajy. Ny fifaninanana izay nahitana sokajy efatra.
Nahatonga mpandray an­jara avokoa ny sekoly samihafa, misy eto Antananarivo, nandritra ity fifaninanana ity. “Tsapa ho efa tafakatra ambony tokoa ny taham-pahaizan’ny mpianatra ny teny frantsay raha ny vokatra no jerena. Tena efa ambony ny lentan’ny fifaninanana satria ambony be avokoa ny naotin’ny mpifaninana. Amin’ny maha fifaninanana azy anefa, tsy maintsy izay ambony no raisina ho mpandresy”, hoy ny mpikarakara ny fifaninanana. Mari­hina fa nisy sokajy efatra nandritra ity “Dictée de la Fran­cophonie” ity. Nisy ny sokajy ho an’ny kolejy, lycée, oniversite ary olon-dehibe. Raha ny valin’ny fifaninanana isaky ny sokajy no jerena, hita fa samy nahatafiditra ao anatin’ny telo voalohany avokoa na ny sekolim-panjakana na ny tsy miankina na ny sekolim-pinoana. Midika izany fa efa manomboka mahazo laka eny anivon’ny sekoly ny teny frantsay.
Nandritra ny famaranana, nandray anjara sy nijery ny fahaizany teny frantsay ihany koa ny tomponandraikitra samihafa, sahala amin’ny masoivohan’i Frantsa, ny solontenan’ny OIF, ny masoivohan’i Comores, ny ministry ny Asa, nt fampananana asa sy ny lalàna sosialy, minisitry ny Fitaterana, sy ireo mpampianatra eny amin’ny Oni­versite sy kolejy frantsay.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: