Mivelona anaty ala ny foko mikea any Atsimo Andrefana. Niara-niaina nandritra ny taona maro tamin’ny Mikea i Jean Claude Vinson, malagasy reny sy frantsay ray, mpiaro ny tontolo iainana, sady naman’izy ireo. Aminy, tsy misy ahina, tsy manelingelina velively ny ala Mikea ny tetikasa Base Toliara.
Fantantr’i Jean Claude Vinson tsara ny mombamomba ny Mikea. Ny fomba fiainany mifindrafindra monina, ny fivelomana amin’ny haza sy ny fiotazana, ny toetrany olon-tsotra sy tsy tia ady, ny kolontsainy amin’ny lafiny hira sy ny dihy, sns.
Miady mafy amin’ny fiarovana sy ny fitazonana izay kolontsaina sy ny maha izy azy izay i J.C Vinson. Mikaroka koa ny fomba ahafahan’izy ireo mivelatra sy mivoatra, satria tsy maintsy manaraka ny toetrandro. Natsangany ny fikambanana « Mikea forest », hanatanterahana izany. Sahanin’izy ireo ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana, ny fanentanana amin’ny lafiny tontolo iainana. Nanangana sekoly ho an’ny daholobe izy any Bedo, fokontany Vorea, distrika Morombe, mba hahafahan’ny ankizy Mikea mamaky teny sy manoratra.
Tandindonin-doza anefa ny fiainan’ny Mikea, ankehitriny, satria simbain’ny foko hafa ny ala, toeram-ponenany sy foto-pivelomany. Ripahan’ireo sokajin’olon-kafa ireo ny ala hanaovana saribao sy hamboleny katsaka na voanjo ary hiompiany. Amin’ny maha olon’ny fihavanana tsy tia ady azy ireo, aleon’ny Mikea mitsoaka toy izay hifanandrina na hanohitra ireo olona manimba azy ireo.
55 km ny elanelana
Mikasika ny orinasa Base Toliara, notsipihin’ity mpitolona ho an’ny tontolo iainana ity, fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny ala Mikea. Antony, tsy voakasiky ny tetikasa satria sarahin’ny lalam-pirenena fahasivy RN 9 ny ala Mikea sy ny faritr’i Ranobe, misy ny fitrandrahan’ny Base. Mbola misy 55 km ny elanelan’ny faritra avaratra misy ny fitrandrahana sy ny faritra atsimo miala amin’ny ala Mikea. Tsiahivina fa any amin’ny distrika Toliara II, kaominina Ankilimalinike sy Tsianisiha, ny toeram-pitrandrahan’ny Base Toliara. Miala 5 km ny avaratra andrefan’i Ranobe, ary 8 km any atsinanan’Ankilimalinike, any amin’ny tendrombohitr’i Manombo, manamorona ny hantsana Mahafaly.
Miara-miasa akaiky ny Base Toliara sy ny fikambanana Mikea Forest. Manampy amin’ny fanomezana sakafo sy fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra, mba hampazoto azy ireo hitozo amin’ny fianarana.
Njaka Andriantefiarinesy