Tanterahana any amin’ny Mensvic Hôtel, Accra, renivohitr’i Ghana, ny andiany fahatelo amin’ny African Media Initiative III (AFROMEDI). Tetikasan’ny African Forum and Network on debt and development, miaraka amin’ny Africa Centre for Energy Police. Tanjona ny hifampizarana traikefa sy hanatevenam-pahalalana ho an’ny mpampita vaovao momba ny fitantanana ny trosa eo anivon’ny firenena afrikanina.
Matetika tsy mamoaka ny mangarahara amin’ny fandaniam-bola azo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ny ankamaroan’ny firenena. Mitaky adidy goavana ho an’ny mpanao gazety ny mivoy sy mamoaka ny marina mikasika izany. Mba hahafahan’ ny vahoaka mahalala ny trosa babeny.
“Saropady ny lohahevitra momba ny trosa, mety hanohintohina politisianina sy manam-pahefana, ary rafitra maromaro izany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny ACEP, Atoa Benjamin Boyake. Nilaza izy fa ilaina ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana eo amin’ny mpampahalala vaovao sy ny mpiantsehatra hafa miady ho an’ny fangaraharahana. Ankoatra izay, “mampiroborobo ny fanaovana fanadihadiana lalina aty Afrika izany”, hoy ny mpanao gazety, Manasseh Azure Awuni. Nambarany fa fanantenana farany ho an’ny firenena latsaka ambany tsy manaja ny demokrasia ny asa fanaovan-gazety.
Mampandroso firenena
“Mampandroso ny firenena iray ny fanajana ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana eo anivon’ny firenena iray toa an’i Madagasikara”, hoy ny Tonian-dahatsoratry ny gazety taratra, Randrianarisoa Riana Raymonde. Nilaza izy fa tsara ampahafantarina mangarahara ny vahoaka ireo trosan’i Madagasikara ankehitriny.
Tsiahivina fa anisan’ny manaraka ny fihaonana any an-toerana ny tonian-dahatsoratry ny gazety Taratra, Randrianarisoa Riana Raymonde. Misolotena ny mpanao gazety malagasy. Mpanao fanadihadiana lalina, miara-miasa akaiky amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena maro maneran-tany izy. Miompana amin’ny heloka ekonomika, trafika amin’ny endriny maro, indrindra ny fanosihosena ny maha olana ny fanadihadiana ataony.
Mino