Mitohy hatrany ny fifaninanam-pirenena « Orange Pro Leeague ». Hatreto, mitarika ao amin’ny vondrona misy azy ireo ekipa goavana.
Taorian’ny andro faha-11 amin’ny « Orange Pro League » (OPL), taranja baolina kitra, mitana ny laharana voalohany amin’ ny vondrona misy azy avy ireo ekipa roa vaventy eto Madagasikara. Ny Fosa Junior Boeny ao amin’ny kaonferansy avaratra ary ny Mama FC Analamanga, kaonferansy atsimo.
Ho an’ny sokajy avaratra, manana isa 25 ny Fosa Jr, manaraka azy aoriana ny Cosfa Analamanga, isa 20. Ho an’ny atsimo, isa tokana no manelanelana ny Mama FC, laharana voalohany, isa 17, sy ny CFFA Andoharanofotsy, faharoa, isa 16.
Ankoatra izay, eo amin’ ny laharana farany amin’ny vondrona avaratra ny Asa Diana, manana isa 2, raha toa ka ny 3FB Toliara ny an’ ny atsimo, isa 5. Marihina fa lalao fito ihany no vitan’izy ireo hatramin’izao. Tsiahivina fa ny sabotsy sy alahady ho avy izao no hanatanterahana ny andro faha-12 ny fifanintsanana OPL.
Fitia (Mpianatra asa)
Ny filaharana amin’ny OPL
Kaonferansy avaratra :
Fosa Jr (25 isa)
Cosfa (20 isa)
Ajesaia (16 isa)
Uscafoot (15 isa)
As Fanalamanga (14 isa)
TFFC (8 isa)
Tia Kitra Fc (7 isa)
Asa Diana (2 isa)
Kaonferansy atsimo :
Mama FC (17 isa)
CFFA (16 isa)
Elgeco Plus (15 isa)
Disciples Fc (13 isa)
Zanakala FC (12 isa)
Jet Kintana FC (11 isa)
Dato FC (11 isa)
3FB Toliara (5 isa)