Kitra: lasa mpanazatran’ny Club M Maurice, Rasoanaivo Fidy

Notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA) hitondra ny ekipam-pireneny (Club M) Rasoanaivo Fidy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy teknisianina malagasy hanazatra ekipam-pirenena vahiny.

Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy Malagasy hitondra ekipam-pirenena vahiny. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, nivoaka omaly zoma, notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA), hitondra ny Club M Rasoa­naivo Fidy. “Hiezaka hampiakatra ny Club M amin’ ny fifanintsanana Can ny tanjoko” hoy izy.
Marihina fa mipetraka any amin’ity Nosy rahavavy ity i Fidy. Tsiahivina fa na­nazatra ny klioba ASPL 2000 izy nialoha izao nanendrena azy izao. Handimby an’i Tony François i Fidy Be. Olona tsy zoviana amin’ny rehetra i Fidy satria mpilalaon’ny FC BFV, niatrika ny manasa-dalana, niadiana ny amboaran’i Afrika, ny taona 1986. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena ma­lagasy (Scorpion) nanom­boka ny taona 1993 – 1999. Vodilaha­rana afovoany ny toerana nisy azy teny ambony kianja. Ny famonoam-baolina amin’ny loha sy ny fahaizana mandaka “coups franc” no tena nampalaza azy.
Zanak’i Etienne Rasoa­naivo, irakiraka tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny taona 60 sy 70. Rahala­hin’i Titi mpanazatra ny CFFA sy i Rado, tale teknika nasionaly. Tao amin’ny ekipan’ny JSM Mandrangoba­to, nipoirany ary nifindra tao amin’ny FC BFV, ny taona 1985.

Nifindra monina tatsy Maorisy

Ny taona 1995, nilalao tao amin’ny Sunrise SC Maurice i Fidy Be. Maro ireo ekipa nilalaovany tany ka nahatonga azy hipetraka any hatramin’izao. Nanom­boka nanazatra voalohany tao amin’ny Olympique de Moka (OM), ny taona 2000-2001. Nantsoina ho mpanazatra mpanampy tao amin’ny Club M 2001 – 2003, taorian’io nanatevina ny ekipa teknikan’ny US Beau Bassin Hill ny 2009-2011. Efa nandrafitra ny “staff” ny Barea, ny taona 2011. Niverina namolavola ny ekipa AS Port Louis ny 2011-2012. Nifindra tao amin’ny Cure­pipe Starlight SC ny 2012-2015. Nitantana ny Pample­mousses SC ny 2015-2017 ary izao nantsoina ho mpanazatra voalohany ny Club M, izao.

Fitia
(Mpianatra asa)

Partager sur: